Revue de presse

Asa an-dranomasina: Mivory eto Antananarivo ny Womesa
Nanomboka omaly ary haharitra telo andro. Ambohipihaonan’ireo vehivavy miasa manodidina ny ranomasina ny eto Antananarivo. Tanterahina etsy amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina ny andiany faha-9 amin’ny fihaonan’ny fikambanam-behivavy mpitarika eo amin’ny sehatry ny ranomasina aty Afrika atsinanana sy Atsimo, na ny Womesa. Anisan’ireo fitsipika entina amin’ny fihaonana toa izao ny fametrahana ny rariny ara-tsosialy, amin’ny fampihenana ny fitoviana eo amin’ny lahy sy ny vavy, amin’ny fanatanterahana ireo asa an-dranomasina. « Tanjon’ny hetsika noho izany ny fanatevenana ny fanofanana ireo vehivavy mpitantana eo amin’ny sehatry ny asa an-dranomasina », araka ny lahatenin’ny minisitry ny Fitsarana, Noro Volona Harimisa, raha nanokatra izany fihaonana izany. « Tsy tokony ho sakana ho antsika eo amin’ny fampivoarana ny maha vehivavy afrikana antsika, fa tokony ho hery sy tanjaka », hoy ihany izy.
Ny taona 2007 ny fivoriana voalohan’ny Womesa tany Kenya. Hatramin’ny nijoroany dia maro ireo sehatr’asa efa nataon’ny fikambanana hanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy afrikana, ao anatin’ny fitantanana ny asa an-dranomasina, ary indrindra ny fandraisany anjaa amin’ny fampandrosoana io sehatra io.
Fanao isan-taona ny fihaonana toa izao, ary nandritra ny fihaonambe natao tany Seychelles tamin’ny taon-dasa no nifidianana an’i Madagasikara hampiantrano ny fihaonana faha-9, izay miainga amin’ny lohahevitra « Ny vehivavy afrikana manoloana ny fahafaha-manao sy ny fanamby mba hivoarana eo amin’ny sehatra an-dranomasina ». Ankoatra ny fampiofanana, ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny biraom-paritra, dia anisan’ireo hampiavaka ity fivoarana andiany faha-9 ity ny fandraisana ny sampana nasionalin’ny Womesa-Madagascar izay rantsana faha-8 hatramin’ny nijoroan’ny fikambanana.
Miarantsoa