Revue de presse

Betongolo: Mpisoloky ireo maniry ho tatsambo, telo no MD

22 Novembre 2018
MIDI MADAGASIKARA

Olona telo no nosamborin’ny zandary etsy Betongolo noho ny fitoriana maro izay tonga teny amin’ny biraon’izy ireo. Izany dia mahakasika ny fisolokiana nataon’ireo olon-dratsy ireo. Milaza ho mpiasan’ny APFM, sampana misahana ny fifamoivoizana an-dranomasina, izy ireo ary mandainga fa mahatafiditra olona  ho lasa tatsambo. Betsaka ny roboka tamin’izany ary dia nivoaka hatramin’ny kely nananana. Nisy mihitsy aza ny nindram-bola mba hahafahana mandoa ny dimy tapitrisa ariary izay notakian’ireo mpisoloky. Nandeha ny fikarohana rehetra ary nisy iray voasambotra. Io no nanoro ny namany taorian’izay ary izy efa nidoboka am-ponja mihitsy vao tapa-kevitra nilaza ny marina, raha araka ny fanazavan’ny zandary izay niandraikitra ny fanadihadiana ity raharaha ity. Nisy vehivavy tao anatin’ny tambajotra ary samy nidoboka am-ponja avokoa ireo mpiray antoka. Asa betsaka maniry ny asan’ny tatsambo satria sady mahita firenena maro no koa tsara karama. Izay indrindra no lasa mampiroborobo ny asa fisolokiana ao anatiny. Tsy ny olona ivelany ihany aza no manao izany fa misy koa ny ao anatiny. Isan’ny nalaza ary mbola manan-kery aza hatramin’izao ny fikarohana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny lehiben’ny sendika iray amin’ity asa an-dranomasina ity noho ny raharaha fanodinkodinam-bola sy fangalàna vola amin’olona. Momba izany indrindra dia mbola betsaka koa ny olona izay mitaraina fa mbola manana vola aminy, tamin’ny fotoana izay nanombohany nitsoaka mantsy rehefa nokarohin’ny mpitandro ny filaminana dia mbola naka vola tatsy sy taroa tamin’ny tatsambo namany na nampidiriny tao amin’io sehatra io ny tenany. Sehatra iray izay tena manintona ny kolikoly sy fisolokiana  araka izany ny asa an-dranomasina ary mendrika ny arahin’ny tompon’andraikitra akaiky.

D.R