Revue de presse

Fankalazana: Hampiarahana ny fanamarihana ny andron'ny tantsambo sy ny ranomasina

25 Juin 2018
TRIATRA

Toa ny isan-taona, dia ankalazaina anio 25jona ny andron’ny tantsambo. Amin’ny maha-Nosy an’i Madagasikara dia manamarika izany miaraka amin’ireo firenena mikambana ao amin’ny sampandraharaha iraisam-pirenena ho an’ny asa an-dranomasina nany OMI (Organisation Maritime Internationale) i Madagasikara. Ho antsika eto Madagasikara dia hampiarahina amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ranomasina, ankalazaina amin’ny volana aogositra any Toliara ny fankalazana izany andron’ny tantsambo izany ». Ny mahasoa ny tantsambo » no lohahevitra entina amin’ny fankalazana. Natao indrindra ho sehatra hiarovana ireo mety fivoarana mahasoa ny fari-piainan’ny tantsambo amin’ny fanatanterahana ny asany eny anivon-drano eny ny fankalazana. « ahafahan’ireo orinasam-pitaterana an-dranomasina sy ireo mpisehatra an-dranomasina rehetra manome hasina sy lanja ireo fepetra raisana ary hanamafisana ny fanatsarana amin’ny kalitaon’ny asa ho an’ny tantsambo sy handraisana anjara amin’izay mety mahatsara ny fiainan’izy ireo ny fankalazana », araka ny fanamarihan’ny sekretera jeneralin’ny OMI, Kitack Lim.

Ho fijerena akaiky ny fampiharana sy fanajana izay mahasoa ny tantsambo dia misy ny fanentanana ataon’ny OMI amin’ny tranonkalany hanangonana ny hevitr’ireo tantsambo, ny famaritany nyfahafantaran’izy ireo ny zony, ary ny fahatsapany ny fampiharana sy fanajana izany andavanandro. Ny tahirin-kevitra voaangona amin’izany dia alefa any amin’ireo mpikambana ao amin’ny OMi ho tari-dalàna hametrahana fifandraisana mivantana eo amin’ny tantsambo sy ny governemanta.

Miarantsoa