Revue de presse

Fifamoivoizana an-dranomasina: Hamafisina ny fanaraha-maso

16 Août 2018
TRIATRA

Tetik’asa « zéro accident ». Anisan’ireo fitaovam-pitanterana be mpampiasa indrindra amin’ny famonjena ireo Nosy manodidina an’i Madagasikara ny fitanterana an-dranomasina. Anisan’ireo tena be mpivezivezy, indrindra rehefa misy hetsika ara-kolontsaina na ao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra, i Nosy Be sy Sainte Marie. Toy ny fanaony isan-taona, dia hamafisina hatrany ny fanaraha-maso ny fifamoivoizana amin’ireo Nosy ireo ary efa tontosa tany Sainte Marie izany tamin’ny « Festival de la Baleine » ary vao tsy ela ny tany Nosy Be nandritra ny « Festival Sômarôho ». Anisan’ireo misahana izany ny Antokon-draharaha misahana ny fitanterana an-dranomasina sy andranomamy na ny APMF ary mametraka hatrany ilay fandaharan’asa « Zéro accident ». « Efa fanao isan-taona rehefa misy hetsika amin’ireo Nosy Ireo io tetik’asa io. Efa asa andavan’andro ny fiarovana ny loza fa rehefa misy hetsika dia mandefa mpiara-miasa avy any Antananarivo ny APMF manamafy ny fanaraha-maso ireo sambo mifamezivezy hialana amin’ny loza », araka ny fanazavan’ny Kolonely Zipa Jean Hubert. Tafiditra amin’ireo hetsika ataon’ny APMF amin’izany ny fijerena ireo singa rehetra mandrafitra ny fitanterana ka ao anatin’izany ny sambo izay tokony ho ara-dalàna sy afaka mihazo ny ranomasina. Toy izany koa ireo olona mpiandrika izay tokony manana taratasy ara-dalàna sy vita fizaham-pahasalamana. « Anisan’ny tsy maintsy jerenay amin’ny fanaraha-maso atao ny fitaovana ampiasain’ny sambo na mitondra olona izy na mitondra entana. Tsy maintsy jerena ihany koa ny vesatra entin’ny sambo mba hialana amin’ny mety loza hitranga amin’ilay sambo », hoy indray Ramarosata Ferdinand, mpanara-maso ireo raharaha an-dranomasina. Tafiditra amin’ny fiarovana ny loza ihany koa ny momba ny fiarovana eo amin’ny fifamoivoizana toy ny teotr’andro sy ny fanajana ny fifamoivoizana eny an-dranomasina. « Mila olona manana traiekfa sy nahazo fiofanana no mitondra ny sambo », hoy ihany ny fanazavany.

Miarantsoa