Revue de presse
Seranan-tsambon’Ankify : mampitombo ny varotra any Sambirano
Notokanana omaly tany Ankify, kaominina Ambohimena, distrikan’Ambanja ny seranan-tsambo ifandraisana any Nosy Be. Seranan-tsambo tantanan’ny APMF (Agence portuaire maritime et fluviale de Madagascar) mahatsara ny fihariana any amin’ny faritra Sambirano sy manampy betsaka ny toekarena eto Madagasikara.
Olona 400.000 isan-taona ny mifamezivezy avy eo Ankify mankany Nosy Be sy avy any Nosy Be miampita any Ankify. Olona mitondra entam-barotra isan-karazany , mpizahatany, mpianatra, marary, hatramin’ny fiarakodia betsaka miampita avy amin’io seranan-tsambo io. Efa potika tanteraka io fotodrafitrasa io sy ny manodidina azy talohan’ny taona 2015. Betsaka ireo mpandraharaha sahirana, ny entana nikatso, ary efa nihena betsaka ny vola niditra tamin’ny kaominina mifandray amin’izany rehetra izany.
« Izao fahavitan’ny seranan-tsambo izao, mampitombo ny varotra ataonay. Maro rahateo ireo mpitondra entam-barotra avy any Antananarivo tonga eto mankany Nosy-Be, koa tombontsoa ho an’ny rehetra ny fahavitan’izao asa izao, izay midika fa mitombo ihany koa ny asa », hoy ireo mpandeha. Ankoatra ny seranan-tsambo, efa vita teo aloha ny tsena ao anatin’ny faritra misy ny seranan-tsambo.
Matiantoka isika amin’ny ranomasina
Nasian’ny filohan’ny Repoblika, Rajaonarimampiana Hery, teny manokana nitokana izany toerana izany ny fampiasana ny ranomasina. « Harena eto amintsika ny ranomasina nefa betsaka ny halatra ataon’ny sasany amin’izany ranomasina izany, mahafatiantoka antsika tsy latsaky ny 500 tapitrisa dolara isan-taona. Izao isika mitantana ny Comesa izao, heverina ny hisian’ny lalambe amin’ny ranomasina hanampy eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra », hoy izy.
« Toakarena manga » ny ranomasina ka tokony ho tsara fiarovana. Manana tafika an-dranomasina sy manamboninahitra ambony betsaka amin’izany isika, koa rariny raha takiana izany asa fiarovana ny ranomasina izany.
R.Mathieu