Revue de presse

APMF sy ny sehatra tsy miankina : Nofoanana ny ACD taorian’ny fiaraha-nidinika

14 Dec 2015
Taratra

Nisy ihany ny fivoriana niaraha-nidinika teo amin’ny APMF,  ao anatin’ny minisiteran’ny Fitaterana, niarahana tamin’ireo mpandraharaha sy ireo sehatra tsy miankina isan-tokony ny 12 desambra teo teto an-dRenivohitra. Niatombohan’ny olana momba ilay fampiharana ACD (Advanced cargo declaration), mahakasika ny amin’ireo entana avy any ivelany ampidirana amin’ny seranan-tsambo iraisam-pirenena eto Madagasikara. Tapaka ary tamin’io fivoriana niarahan’ny fanjakana sy ny tsy miankina io ny fanafoanana ny ACD, izay efa namoahana ny didy ny tokony ho fampiharana azy ny nanomboka ny 1 desambra teo, araka ny didy 1436 Bis/APMF.

Raha tsiahivina, noheverina hamantarana mialoha ireo entana avy any ivelany ny fampiharana izany ACD izany nankinina amin’ny ATPMS Associated transport & Port management system. Tanjona ny hisorohana izay mety fanambarana hosoka mamono antoka ny fanjakana sy manimba ny varotra ato anatiny. Saingy antony lehibe iray nitsivalanan’ny vondron’ny mpandraharaha ny tsy fahatokisana io ATPMS io, izay efa ratsy laza any Afrika, araka ny filazan’ireo mpandraharaha ireo. Antony iray lehibe koa ny fialana amin’izay loza mety hitranga any amin’ireo seranan-tsambo, araka ny fepetra ISPS.  International Ship and Port Securit. Marihina anefa fa ny OMI ihany no tompon’antoka amin’izany.

 

Tsy misy fiovana kosa fa ampiharana ara-dalàna, manomboka ny 1 desambra ny fampahafantarana filazana mialoha ireo entana afarana na ENS (Entry summury number) sy ny aondrana na EXS ( Exit summury number). Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny APMF, Zipa Jean Hubert fa tsy misy sarany alaina mihitsy ny fahazoana ENS sy EXS.  Ampiharina izany hahafantarana mialoha ny marina rehetra momba izay afarana sy aondrana.

 

R.Mathieu