Revue de presse

Fitaterana an-dranomasina : 200 izao ny APMF mpanara-maso

2 Dec 2015
Taratra

Mpiasa avy amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (Agence portuaire maritime et fluviale-APMF) miisa 39 no navoaka tao amin’ny sekolim-pirenena mpanofana mpisehatra an-dranomasina (Ecole nationale de l’enseignement maritime – Enem), Mahajanga ny 28 novambra 2015. Roa volana ny fiofanana narahin’izy ireo, nifantoka tamin’ny raharaha ara-panjakana eny amin’ny seranana sy ny aro loza an-dranomasina.

Hapetraka hiasa any amin’ireo seranana lehibe sy salantsalany 17 misy ny APMF manerana ny Nosy izy ireo, ka tafakatra 200 ny isan’izy rehetra manomboka izao. Ezaka noraisina izao taorian’ny fitrangan’ny loza an-dranomasina matetika tamin’ity taona ity. Vao haingana, ny loza tao amin’ny helodranon’i Bombetoka, ny 8 novambra teo, nahafatesana olona dimy, tsy hita popoka ny iray ary fito maratra.

 

Betsaka ny asa miandry

 

Hatsangana ny “Guichet unique” ao amin’ny seranan’i Mahajanga sy Katsepy, ambany fiahian’ny APMF. Tapaka izany taorian’ireo fivoriana maro niarahana tamin’ny komity mpampiasa ny seranana any Mahajanga. Ao amin’izany “guichet unique” izany no handraisana ny anaran’ireo rehetra hitsaka ny helodrano, sady manara-maso ny taratasy sy ny fanajana ny fenitra amin’ny aro loza. Betsaka ny asa miandry azy ireo. Maro ny tokony hohatsaraina eo amin’ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy eto amintsika, ifampiankinan’ny sehatra maro mampihodina ny toekarena sy sosialy : fitateram-bokatra, varotra, fizahantany, tontolo iainana, fitsaboana, fampianarana, sns.

Maro ny zotra an-dranomasina sy an-dranomamy mbola ahitana lesoka isan-karazany. Tafahoatra ny entana hoentina, mandeha amin’ny fotoana tsy tokony handehanana. Momba ireo botry, ohatra, tsy misy aro loza ho an’ny mpandeha ny maro sady tsy manana fiantohana. Ireo botry ireo anefa no maro anisa indrindra miantoka ny fitaterana an-dranomasina any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Menabe, Melaky, Boeny.

 

R.Mathieu