Revue de presse

Fitaterana an-dranomasina : Havaozina ny seranan-tsambon’i Toliara

10 Nov 2015
Taratra

 

Mandeha ny asa fanitarana sy fanatsarana ny seranan-tsambon’i Toliara natomboka ny volana septambra teo ary tokony ho vita amin’ny volana febroary 2016.

 

Telo taona izay, voatery  napetraka any ivelan’ny seranan-tsambo  ny entana sasany noho ny tsy fahampian’ny toerana ao anatin’ny faritra. Marivo loatra ny seranan-tsambo (tirant d’eau), tsy misy afa-tsy 6,50 m monja ka tsy afaka mandray ireo sambo vaventy. Koa ankoatra ny fanitarana ny faritra, asa maika tsy maintsy atao ny fanadiovana (dragage) ary tsy maintsy apetraka ireo fepetra rehetra ho fiarovana ny manodidina (normes ISPS), araka ny lalàna iraisam-pirenena. 5 miliara ariary ny tetibidin’ny asa rehetra, tetibola manokana avy amin’ny APMF (Agence portuaire maritime et fluviale).  Manao ny asa ny orinasa Colas.

Olana amin’io seranan-tsambo io noho ny fifangaroan’ny tambajotra rehetra, izany hoe tokana ny fandraisana ireo sambo rehetra, mpitondra mpizahatany, entana, solika, botry, sns. Nefa noho ny fivoaran’ny zotram-pitaterana an-dranomasina any amin’ny lakandranon’i Mozambika, izay mahatratra 20 % isan-taona, betsaka ny mpanararaotra sy mpanao trafika. Seranan-tsambo lehibe iray any amin’iny faritra andrefana iny ny ao Toliara ka mila fanavaozana. Any amin’ny faritra rahateo, maro ireo tetikasa ka manampy betsaka io seranan-tsambo io.

Hita any amin’iny faritra atsimo iny, ohatra, ny fitrandrahana fasimainty, 40 km avaratr’i Toliara ; harin’i Sakoa any Betioky ; solika any Ankazoabo sy Sakaraha. Toy izany koa ny amin’ny sehatry ny jono sy ny fambolena, fisian’ny Tozzi Green mamboly katsaka, tetikasa Bas Mangoky sy Bezaha. Manamora ny fifandraisana amin’ny seranan-tsambon’i Durban (Afrika Atsimo) ny ao Toliara. Ny lakandranon’i Mozambika, ankehitriny, mampifandray ny fitaterana an-dranomasina mankany Amerika, Eoropa ary Azia. Manana ny anjara toerany amin’izany ny seranan-tsambon’i Toliara.

 

Légende : Mampiseho ny fifangaroan’ny sambo miantsona eo amin’ny seranan-tsambo ( sary tahiry)

 

R.Mathieu